2 Peter 2

1Ny mpaminany sandoka dia tonga teo amin’ny olona, ary ny mpampianatra sandoka ihany koa dia ho avy eo aminareo. Hitondra mangingina sain-diso mamotika izy ireo, ary handà ny Tompo izay nividy azy ireo. Izy ireo dia mitondra fahapotehana faingana amin’izy ireo. 2Maro no hanaraka ny fijejojejoan’izy ireo, ary amin’ny alalan’ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ny fahamarinana. 3Amin’ny fieremana no hanararaotany anareo miaraka amin’ny teny mamitaka. Tsy ho ela ny fanamelohana an’izy ireny; tsy matory ny fahapotehan’izy ireny.

4Fa Andriamanitra tsy namindra fo ireo anjely izay nanota. Fa kosa natolony ho amin’ny vilany tany izy ireo mba ho voatazona amin’ny gadran’ny fahamaizinana mandra-pihavin’ny fitsaràna. (Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: “Mba ho fatorana ao amin’ny lavaky ny fahamaizinana mandra-pihavin’ny fitsaràna.”) 5Ary ihany koa, tsy namela izao tontolo izao taloha Izy. Fa kosa, namonjy an’i Noah, izay mpitory ny fahamarinana, miaraka amin’ny fito hafa, rehefa nitondra ny safo-drano tamin’ny ratsy fanahy teto amin’izao tontolo izao izy. 6Andriamanitra ihany koa dia nanao ireo tanànan’i Sodoma sy Gomora ho lavenona ary nanameloka azy ireo ho amin’ny fahapotehana, ho toy ny ohatra amin’izay hitranga amin’ny ratsy fanahy.

7Fa i Lota marina, izay nampahoriana tamin’ny fitondran-tenan’ireo olona tsy ara-dalàna tamin’ny fijejojejoana, dia novonjen’Andiamanitra. 8Fa izany lehilahy marina izany, izay niaina niaraka tamin’izy ireo isan’andro, dia fadiranovana tamin’ny fanahin’ny fahamarinany noho izay hitany sy reny. 9Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo olona tsara fanahy amin’ireo fitsapana, sy ny fomba hitazomana ireo olona tsy marina ho amin’ny famaizana amin’ny andron’ny fitsaràna.

10Marina indrindra izany ho an’ireo izay manohy amin’ny faniriana ratsin’ny nofo sy manao tsinontsinona ny fahefana. Sahy sy mitompo teny fatratra izy ireo. Izy ireo dia tsy matahotra hiteny ratsy ireo be voninahitra. 11Ireo anjely dia manana hery sy fahefana lehibe, fa izy ireo dia tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo amin’ny Tompo.

12Fa ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia natao ho samborina sy potehina. Tsy fantatr’izy ireo izay tsiratsirain’izy ireo. Ho potika izy ireo. 13Handray ny valisoan’ny zavatra ratsy nataony izy ireo. Mieritrertra izy ireo fa ny tsy fiafiana mandritry ny andro dia fahafinaretana. Izy ireo dia be pentipentina sy tsiny. Mahafinaritra azy ireo ny asa famitahan’izy ireo rehefa mihinana miaraka aminareo. (Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: “Mahafinaritra azy ireo ny asan’izy ireo rehefa mihinana miaraka aminareo amin’ny sakafom-pifankatiavana.”) 14Adalam-behivavy mijangajanga izy ireo; tsy afa-po amin’ny fahotana mihitsy izy ireo. Mitarika fanahy tsy mety maty ho amin’ny fanaovan-dratsy izy ireo, ary manana fo voaofana amin’ny fitsiriritana izy ireo. Zanaky ny fanozonana izy ireny!

15Niala tamin’ny lala-mahitsy izy ireo. Lasa nivily izy ireo, ary nanaraka ny lalan’i Balama zanak’i Beora, izay tia ny tambin’ny tsy fahamarinana. (Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: “Balama, zanak’i Bosora.”) 16Fa nahazo teny mafy izy nohon’ny fandikan-dalàny manokana. Nisy boriky moana niteny tamin’ny feon’olombelona nanajanona ny adalan’ilay mpaminany.

17Ireo olona ireo dia tahaka ny lohataona tsy misy orana. Toy ny rahona entin’ny tafio-drivotra izy ireo. Natokana ho azy ireo ny haizina matevina. 18Miteny tsy am-piheverana izy ireo. Mitaona ny olona amin’ny alalan’ny filàn’ny nofo izy ireo. Izy ireo dia mitaona ny olona izay miezaka mandositra ireo izay miaina amin’ny fahadisoana. 19Izy ireo dia mampanantena fahafahana ho azy ireo, kanefa izy tenany ary dia andevon’ny fahalotoana. Fa ny olona dia andevon’izay rehetra maharesy azy.

20Na iza na iza afaka amin’ireo fahalotoan’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fahalalana ny Tompo sy Jesosy kristy Mpamonjy, ary avy eo miverina amin’ireo fahalotoana indray, dia hanjary ratsy noho ilay toe-javatra voalohany ilay toe-javatra farany. 21Tsara kokoa ho azy ireo ny tsy mahafantatra ny lalan’ny fahamarinana nohon’ny mahafantatra izany dia hivadika amin’ny didy masina natolotra azy ireo. Marina ho azy ireo ity ohabolana ity hoe: “Ny amboa no miverina amin’ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverina mihoso-potaka.”

22

Copyright information for PltULB